1 Ho an'ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah , fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin'ny zanak'olombelona.

2 Samy milaza lainga amin'ny namany amin'ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.

3 Holevonin'i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,

4 Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?

5 Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany*. [Na: Hataoko mahita ny famonjena iriny izy]

6 Ny tenin'i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito.

7 Hianao, Jehovah , no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity taranaka ity.

8 Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra.
